Olona sendra avy nanatitra olona teny Ivato no nitantara ny zavatra nanjo azy, teny amin’ny làlam-baovao Tasarasaotra iny, ny Sabotsy lasa teo. Maty tampoka teo antenantenan’io lalana io ny fiaran’izy ireo tokony ho tamin’ny misasak’alina. Vaotery nitady izay hamelona io fiara io izy ireo ; izay nambaran’ny mpamily sy tompon’ny fiara fa tsy tokony hitranga mihitsy izany fahasimbana tampoka izany. Tsy velona mihitsy anefa ilay fiara ka niezaka nanakana fiara nandalo izy ireo mba hila vonjy. Nandritra izay anefa, raha araky ny fitantaran’izy ireo, no nandre olona miresaka tsy lavitra ny nijanonan’ilay fiara izy ireo. Niezaka nijery sy nitady izay niavian’izany feo izany izy ireo, fa tsy nahita na inona na inona. Nisy namana sendra nandalo anefa ka mba nijanona ary nanampy azy ireo. Ireto farany rehefa nahita fa tsy avotra mihitsy ilay fiara dia lasa niakatra taty Antananarivo mba hila vonjy. Nandritra izany ; niditra tao anaty fiarany ireto tra-boina ka mbola naheno indray ilay feo izay tao ao aorian’ny fiara. Notazanina fa tsy nisy na inona na inona akory ny manodidina. Teo vao tonga saina ireo ka resy lahatra, fa tena mety ho matoatoa fotsiny izao no niaraka tamin’izy ireo teo. Azo eritreretina ihany angamba izany ho an’ireo izay mino ny zava-panahy. Tsy vao ela akory anie izay no nisy loza nisesisey tamin’iny làlana iny. Loza izay heverina fa tsy tokony hitranga nefa dia namoizana ain’olona ary tsy nahitana fanazavana mitombina mihitsy.
NDLR. Indro averina eto ity lahatsoratra ity ; izay tokony ho nivoaka teto amin’ny gazety omaly, saingy noho ny antony teknika dia ialana tsiny amin’ny mpamaky fa tsy tafiditra tao amin’ny pejy tokony handehanany izy ity.
T.M.