- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-baovao Tsarasaotra : Mpitondra bisikleta maty voadonan’ny fiara

Lalam-baovao Tsarasaotra : Mpitondra bisikleta maty voadonan’ny fiara

Efa maro ihany izay namoy ny ainy vokatry ny loza tamin’ity lalana ity. (Sary FB)

Nandriaka indray ny rà omaly hariva, tamin’iny lalam-baovao mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato iny. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano rehefa nodomin’ny fiara ny bisikleta nentiny.

Tokony ho tamin’ny efatra ora latsaka kely teo ho eo no nitranga ny loza, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Tsy fantatra mazava izay zavatra niseho fa ny feo nipoaka mafy sy tamin’ny hisatra kodiarana nidrisina tamin’ny arabe no heno, hoy hatrany ireo nahita. Niaraka tamin’izay ny fipitihan’ilay tongomalady teny am-povoan’arabe sy ny olona nitondra nitsirara tao anaty rà mandriaka. Nifangaro tamin’ireo potika voankazo nentiny ny ràn’ilay rangahy, namonto ny arabe tamin’io tolakandro io.

Tao anatin’ny indray mipi-maso monja izany zavatra izany, hoy ireo teny an-toerana. Fotoana fohy monja nisian’ny tsy fitandremana teo amin’ny roa tonta kanefa dia izao nahitana fahavoazana tsy roa aman-tany izao. Raha ny voalazan’ireo mponina hatrany moa, na dia efa betsaka toa izany aza ny loza amin’iny lalana iny dia mbola misy hatrany ireo tsy mety fay, mpisetrasetra sy mpisangy loza eny an-toerana. Tsy ireo mpitondra fiara ihany fa ireo rehetra mampiasa izany lalana izany mihitsy, manomboka any amin’ny mpandeha an-tongotra miampita tampoka, ny mpandroaka omby aman-tsarety, ny mpitondra bisikleta tsy manaja ny lalana efa natokana ho azy ireo : misy mantsy ny sasany mbola minia miditra anaty arabe ihany, ny mpitondra môtô sasantsany moa dia tsy lazaina intsony.

Fa ankoatr’ity tetsy Tsarasaotra ity moa dia mbola nitrangan’ny loza hafa ihany koa tetsy Avaradoha omaly maraina. Renim-pianakaviana iray no naratra mafy rehefa nianjera ny môtô nitondra azy. Nisy ihany koa tetsy Maibahoaka, taxibe indray no nivadika ary nandratrana mpandeha maromaro.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici