- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLalam-bavovao Tsarasaotra : Taxi-be nivadika noho ny fandehanana mafy, olona roa naratra...

Lalam-bavovao Tsarasaotra : Taxi-be nivadika noho ny fandehanana mafy, olona roa naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-baovao mampitohy n’i Tsarasaotra sy Ivato iny omaly hariva tokony tamin’ny 5 ora sy sasany. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nadeha mafy ity fiara taxi-be Mercedes 407 ity, antony nahatonga izao loza izao. Nanararaotra ny fahitsin’iny lalana  mihazo an’i Soavimasoandrop iny angamba ilay mpamily ka tamin’izay indrindra anefa saika hivoaka ny arabe ilay fiara. Niezaka hanarina izany anefa izy ka tonga dia nidaboka tamin’ny ilany havanana ilay fiara. Vokany, naratra mafy ilay mpamily sy ny vehivavy iray nipetraka teo akaikiny. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na dia hita fa potika tanteraka aza ilay fiara. Ny toe-javatra toy izao dia mahatonga hilaza fa mbola tsy hain’ireo mpamily fiara eto an-drénivohitra ny  mampiasa ireo lalam-baovao mikodana toa  io eo Tsarasaotra io. Rariny loatra raha nisy ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana ankehitriny hanenjana ny Lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny sazy ampiharina amin’ny fandikana izany.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici