- Publicité -
mercredi, août 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena eto Madagasikara : Nahatratra 160 ireo olona matin’ny lozam-pifamoivoizana

Lalam-pirenena eto Madagasikara : Nahatratra 160 ireo olona matin’ny lozam-pifamoivoizana

Amin’izao ankatroky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao izao dia manana tanjona ny haha-fety ieren-doza azy ny Sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ATT, sy ny mpitandro ny filaminana. Nisy ny fanazavana ny fomba fiasa vaovao entin’ny ATT sy ny mîtandro ny filaminana amin’izany ka nisy ny fanazavana izany teto Toamasina ny alatsinainy teo tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny Tanana. Raha tarehimarika nomen’ny tale jeneralin’ny ATT momba ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika hatramin’izao, dia miisa 177 ny lozam-pifamoivoizana izay nanimbana fananana ka ny 55 tamin’izany dia fiara vaventy ; raha miisa 160 kosa ireo olona maty vokatra izany lozam-pifamoivoizana izany, ka isany nahitana izany ny lalam-pirenena faharoa izay voasokay eo anivon’ny ATT ho lalana mampidi-doza be indrindra eto Madagasikara. Raha  ny tarehimarika avy amin’ny toeram-pitsaboana tao Antananarivo dia nambaran’ny ATT fa miisa 3.750 ireo olona naratra noho lozam-pifamoivoizana tamin’ity taona ity, mbola tsy ao anatin’izany ireo avy amin’ireo toeram-îtsaboana ny faritany sy ny faritra maro misy ireo lalam-pirenena. Ho fisorohana ny loza amin’izao fihatrehan’ny malagasy ny fety izao dia maromaro ireo fepetra tsy maintrsy noraisina hoy ny tale jeneralin’ny ATT malagasy, ka isan’izany ny fisavana amin’ny fiaingana sy ny fahatongavana ny taksibrosy ho fisorohana ny dona-miverina, eo koa ny fisavana ireo mpamily amin’ny fidorohana samy hafa eo am-pahatongavana sy eo am-pihaingana, ary ny fampiarahana ny fihainagana ny hariva ho fisorohana ny halatra sy asan-dahalo eny an-dalana. Ireo fepetra roa voalohany dia hatomboka ao amin’ireo toeram-piantsonan’ny taksibrosy ao Antananarivo. Ankoatra izay dia manainga ireo manao ny asam-pamiliana fiara rehetra ny ATT fa ain’olona sy entan’olona no entin’izy ireo ka ilaina ihany ny fitandremana sy fanarahana lalana mandritra ny fanaovana ny asa.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici