Nahita vokatra tamin’ny fisavana tampoka tamin’ny lalam-pirenena faha-02 iny ny zandarimariam-pirenena atsinanana. Efa volana maromaro no tsy nahitana izany saingy niverina nirongatra izany noho ny fahapotehan’ny lalana. Nanao fisavana teo anelanelan’ny Toamasina sy ny Brickaville ny zandary noho ireo famakiana kaontenera mirongatra be amin’izany noho ny faharatsian’ny lalana, ka voatery mandeha mora ireo mpitatitra taxi-brousse sy kamiao mandeha aminy. Tamin’izany dia velam-pandrika no ny alahady alina teo tamin’ny lalana hatrao Brickaville iny, ka nahatrarana andian-jiolahy 08. Ny 05 tamin’izany mpamaky ireo taxi-brousse izay efa nokarohana hatramin’ny taona 2019 saingy izao vao saron’ny zandary, niisa 03 kosa ireo mpamaky kamiao izay ny iray maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana tamin’ny zandary ny alin’ny alahady io. Ny iray kosa tafaporitsaka nandritra ny fifanenjehana, raha ny iray voasambom-belona tamin’izay. Raha vita ny fanadiadiana hoy ny zandary manao izany dia hiakatra fampanovana ireo olona 08 voasambotra, ary inoana fa miandry fitsarana am-ponja mba hampisy filaminana amin’ny lalam-pirenena faha-02. Tsy milefitra amin’ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka amin’ny lalam-pirenena ny zandary, ka tsy maintsy hanao ny asa nampandraketana azy ary tsy hitsitsitsy ao anatin’izany fa ampiasa ny fitaovam-piadiana nomen’ny lalana eny aminy. Mitohy manomboka izao ny fanaraha-maso ka hisy ny paikady entitra horaisin’ny zandary, mba tsy ampitebiteby ho an’ireo mpitatitra mandalo amin’ny lalam-pirenena faha-02. Toky no nomen’ny zandary fa ho avy masiaka izy ireo amin’izay fametrahana filaminam-bahoaka amin’ny lalam-pirenena faha-02 izao.
Malala Didier