- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena faha-2 : Mananika eny ambony fiara ireo jiolahy mpandroba

Lalam-pirenena faha-2 : Mananika eny ambony fiara ireo jiolahy mpandroba

Raha somary nangingina sy tsy dia re loatra tao ho ao ny resaka sakana sy fanafihana fiara eny amin’ireo lalam-pirenena dia mirongatra indray izany ankehitriny. Ny vaninandro fety izay mahabe ny fivezivezen’ny olona izao angamaba no antony. Fa ny tena mahavariana dia nahita fomba fiasa vaovao ireo mpanao ratsy. Hain’izy ireo ny manararaotra ny zava-misy mba hanaovana ny asaratsiny izay hanairana sahady ny sain’izay tompon’andraikitra mahefa amin’izany. Tsy inona izany fa ity fahasimbana sy faharatsian’ny lalana saika manerana ny Nosy ity, raha tsy hilaza afa-tsy ireo lalam-pirenena izay tena be mpampiasa sy mpifamoivoy isika. Isan’izany ny Lalam-pirenena faharoa(RN2)  izay vao nitrangan’ny fanafihana ny talata 28 desambra lasa teo. Fiara mpitatitra olona iray avy aty Antananarivo ho any Toamasina  no voaroba rehefa nandalo teo Ambinaninony, 80 km tsy hiditra ity Renivonitr’i Betsimisaraka, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady, rehefa nisy nanafika teo amin’io toerana io. Araka ny loharanom-baovao dia fiara maromaro izy ireo no niaraka saingy noho ny haratsian’ny lalana dia tsy maintsy madeha mora ny fiara ka somary nifanary izy ireo. Teo indrindra no nisy nanararaotraotra nihanika ity fiara voatafika ity ka nosokafan’ireo jiolajy tamin’ireny fitaovana fanapitsohana fantsika ireny ny varavarana aoriana ary norobain’izy ireo daholo ny entana. Nandritra izany moa dia voalaza fa tsy afa-nanohitra ireo mpadeha tao amin’ity fiara ity fa efa voaambana fitaovam-padiana avokoa. Antsoantso sy horakoraka sisa no henon’ireo olona ireo, izay toa midika fa toa nisy voatafika ihany koa tany ho any, raha araka ny fanazavana.  Soa fa tsy nisy ny naratra na ny maty nandritra izany fa ny entana kosa dia fongana avokoa. Tsy ela ihany koa dia afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo niharam-boina. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary ka nanao ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia. Nandritra izany no nahatratrarana olona iray izay nahatratraraba entana maro mampiahiahy. Nosamborina avy hatrany moa ity olona mba hanaovana fanadihadiana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici