- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena faha-4 : Lozam-pifamoivoizana, dimy mianaka namoy ny ainy

Lalam-pirenena faha-4 : Lozam-pifamoivoizana, dimy mianaka namoy ny ainy

Lozam-pifamoivoizana iray namoizana ain’olona dimy no niseho tamin’ny lalam-pirenena faha-4, omaly antoandro. Fiara Peugeot 307 iray no nivoaka ny làlana nanoloana tetezana ary farany latsaka tany anaty rano. Vehivavy lehibe iray ihany no tsy maty tamin’io loza io.

Niala tany Mahajanga ity fiara ity, nitodika hody aty an-drenivohitra hamonjy asa anio alarobia. Mpiasa avy ao amin’ny hetra ireo olona lehibe roa maty, lehilahy sy ny vadiny, ary zanany telo no indray nindaosian’ny fahafatesana niaraka taminy. Ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana no nahafantarana ny toerana nitrangan’ny loza. Niala 70 km eo ho eo avy ao amin’ny tanànan’i Mahajanga no niseho ity zavatra ity. Teo Ambovondramanesy. Tsy fantatra aloha izay niseho fa rehefa hiditra ny tetezan’i Tanambao, nivoaka ny làlana ilay fiara tao amin’ny fiolahana iray ary lasa tany anaty rano.Nisy avy hatrany ny famonjena nataon’ireo izay nahita ny tranga nefa voalaza fa tsy nisy azo natao intsony. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa  tonga ny talata alina aty an-drenivohitra ireo razana ireo ary hivantana eny Anosy misy biraon’ny Hetra.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici