Isan’ny mampikolay ireo mpitatitra sy mpanao fitaterana amin’ny lalam-pirenena mihazo an’i Toamasina ny fisian’ireo andian’olona mitoraka fiara mba hoentina mampijanona azy ireny hanaovan’izy ireo ny halatra amin’ireo mpandeha sy ny entan’ireo mpanjifa mandritra izany.
Isan’ny tena malaza amin’ny lalam-pirenena mihazo an’i Toamasina ny ao Brickaville, ary efa maro no tratran’izy ireo, efa maro koa ny mpandeha manjavona ny entana, ary efa betsaka ireo fiara vaventy no very entana vokatra izany. Hatreto aloha dia ny mpamily sy ny mpandeha ary ny tompon’ireo fiara vaventy no mandray ny fepetra amin’ny fiarovana ny mpanjifany sy ny entana entiny.
Manomboka miditra amin’ny lalam-pirenena faha-5 ihany koa ankehitriny ity fitorahana fiara mpitatitra sy fanakanan-dalana ity, ka ao amin’ny kaominin’Antetezambaro Toamasina II no tena fanaovan’izy ireo izany. Taorian’ny fitarainana voarain’ny polisy teto Toamasina amin’ireo fiara tratran’ireto mpitoraka fiara sy mpanakan-dalana ireto, dia nisy ny fidinan’izy ireo ifotony nijery sy nanao fanadiadiana ny raharaha. Nandritra izany no nahatrarana ambodiomby ireto tovolahy telo isan’ny mpanao izany any an-toerana, izay nihaiky ny fandraisany anjara tamin’izao raharaha izao. Nisy ihany koa anefa ny fanoroan’izy ireo ny namany ka eo am-panadihadiana azy ireo polisy misahana izany.
Amin’ny fiarovana manokana amin’izao fiatrehana ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taona vaovao izao, dia nanova fomba fiasa ny polisim-pirenena eto Toamasina. Nampitomboina ny isan’ireo polisy manao andiany mandeha moto mitety fokontany sy ireo lalam-pasika ary ireo voarakitra ho faritra mena amin’izy ireo. Nohamafisina ihany koa ireo ekipa mandeha fiara izay tena misahana akaiky ny eto an-tampon-tanana manara-maso ireo tranom-barotra. Ireo andiana polisy isaky ny kihon-dalana manao ny fisavana samy hafa ihany koa toraky izany, ary ireo polisy tsy manao fanamiana manara-maso ireo tsena goavana amin’ireo mpiantsena mety ho lasibatr’ireo mpanao sinto-mahery sy mpanendaka.
Ankoatra izany, dia manomboka ihany koa ny fisian’ireo andiana mpitandro ny filaminana mifangaro, ahitana polisy, zandary ary miaramila, mandehandeha eran’ny tanàna manao fanaraha-maso ihany koa ny tanàna, ka fiarovana ny vahoaka amin’ireo andian-jiolahy mitam-piadiana no tena sahanin’izy ireo.
Malala Didier