Manao andiany izy ireo, ary miandry an’ireo kamiô mavesatra miaka-piakarana vao manao ny asa ratsiny, hoy ny filazan’ireo olona tafaresaka taminay. Izany indray izao no tetik’adin’ireo mpanakan-dalana eny amin’ireo lalam-pirenena, indrindra fa amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Ny alatsinainy alina lasa teo, jifa tanteraka ary maina mihitsy ny rezevoaran’ity kamiô be iray, raha sendra tafajanona teny an-dalana izy noho ny olana ara-teknika, manodidina an’i Marovoalavo, tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fantatry ny rehetra ary fantatr’ireo olon-dratsy ihany koa fa tsy dia misy vola alaina firy any amin’ireo mpitondra fiarabe ireo, saingy iarahan’ny besinimaro mahalala ny gazoala tsy maintsy ampidirina ao amin’izy ireny. Tamin’io fanafihana io dia gazoala teo amin’ny 600 litatra teo no lasan’ireo olon-dratsy. Manao andiany maromaro izy ireo, araka ny fantatra hatrany, ary fandraka sy maritoa, miaraka amin’ny fitaovam-piadiana no entin’izy ireo amin’izany. Indraindray ary, raha ny fitantaran’ireo mpitondra fiara sasantsany, tsy heno mihitsy ny hanaovan-dry zalahy ny asa ratsiny, fa ny mazàna aloha dia hiakarany ao anaty « cabine » mihitsy. Amin’ilay kamiô, mandeha mora rehefa lalana miakatra izy ireo no « mijapy » ilay fiara, ary mamoha ny varavarana avy eo, hoy hatrany ity loharanom-baovao. Misafidy ireo toerana tsy misy mpitandro filaminana, eny amin’ireo faitra ankodahoda ry zalahy no mamely. Rehefa tsy mahazo amin’ny fanakanan-dalana indray ary ve izany ireo olon-dratsy dia miroso mihitsy amin’ny fihanihana fiara. Miantso ireo tompon’andraikitry ny filaminana araka izany ireo mpindrana an’iny lalam-pirenena faharoa iny.
m.L