Nihena hatramin’ny enimpolo isan-jato, ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faharoa iny, tamin’ity taona 2014 ity, raha oharina amin’ny taona lasa araka ny tombana azo teo anivon’ny zandarmariam-pirenena manaramaso ny fifamoivoizana an-dalam-be eto Moramanga. Raha nanomboka tamin’ny volana janoary ka hatramin’ny volana septambra lasa teo. Saika vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily avokoa no antony mahatonga ny loza amin’ny ankapobeny sy ny tsy fisian’ny fikojakojan’ireo tompon’ny fiara manao ny asa fitaterana. Nahatratra 17 ireo loza nisy ratra ary 06 ireo niafara tamin’ny fahafatesana izay saika vokatry ny fandehanana mafy avokoa. Matetika anefa no misedra olana ireo maratra, noho ireo mpamily mahadona azy ireo, dia mpandalo avokoa no matetika tsy maha ara-dalana ny fitsaboana ireo iharan-doza. Nanamafy kosa ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa, raha ny tranga mateti-piseho eto an-tampon-tanàna ; izay saika isan’andro amin’ny fifandonan’ny posy sy ny bisikileta ary ny moto dia vokatry ny tsy fitandreman’ireo mpampiasa làlana sy ny tsy fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana ary ny hamamoana,nefa mbola minia mamily fiara hatrany. Ireo mpitandro ny filaminana manaramaso ny fifamoivoizana dia efa miezaka mampahatsiaro ireo mpamily mihazo ny lalam-pirenena faharoa amin’izay tokony hatao hisorohana ny mety hitranga, indrindra fa efa mamaram-parana ny taona ; izay fotoana mahamaro ny mpivezivezy ara-barotra . Anjaran’ireo mpamily rehetra no mitandrina izay ain’olona hentina fa betsaka ireo fitondrantena tokony hanan’ny mpitondra fiara.
CATHY