dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena faharoa : Tratra ireo jiolahy mpanakan-dalana

Lalam-pirenena faharoa : Tratra ireo jiolahy mpanakan-dalana

Tena manao ny herin’ny rehetra amin’ny fisamborana ireo mampahory ireo mpamily fiara amin’ny lalam-pirenena faharoa, ireo zandary miasa ao Brickaville amin’izao. Efa maro ireo vokatra azony nefa mbola mitohy hatrany izany noho ireo andian-jiolahy manao ny antony. Raha efa tratran’ny zandary teo aloha ny namany Ra-Ninja, dia tratra indray koa izao ny namany hafa izay fantatra fa tena mpanampy azy akaiky mihitsy ity saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Brickaville ity. Ny fiakarana amin’ireo fiara mandalo ao amin’ny manodidina Brickaville no tena asa ratsy aton’izy ireo, ka maro ireo fiara lasibatra tamin’izany indrindra fa ireo taxi-brousse sy ireo fiara vaventy. Ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny andrimasom-pokonolona natsangana vao tsy ela tao an-toerana no nahatratra azy ity, satria fotoana vitsy taorin’ny fametrahana ity andrimasom-pokonolona ity dia efa tratra izy noho ireo loharom-baovao voarain’ny zandary. Roa herinandro talohan’ny nahatrarana ity mpanampy an’ingahy Ninja ity, raha nenjehana ny tenany tamin’izay nefa tafaporitsaka, dia izao tsy namelan’ny zandary raha tsy voasambotra izao. Milamindamin-dratsy ny lalam-pirenena faharoa amin’izao amin’ireo mpangalatra entana ambony fiara ireo, ka velom-pisaorana ireo vahoaka ao an-toerana vokatra izany. Nanome toky moa ny kaomandin’ny borigadin’ny zandary Brickaville, fa tsy hamela ny vahoaka sy ny mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa eo ambanin’ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo.

Malala Didier  

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici