Fitondrana olona an-tsokosoko. Izay amin’ny ankapobeny ny antony nitazonana ireo fiara. Tany amin’ny fidirana an’i Toliara, dia fiara tsy mataho-dàlana efatra no indray tsy navelan’ny mpitandro ny filaminana nihetsika intsony. Ny antony, dia noho ny fivezivezena mivoaka ny faritra na dia efa nivoaka aza ny fandrarana momba izany. Teo Mangily no sarona ireo fiara izay raha ny filazan’ny mpandeha, dia avy any amin’ny faritr’i Menabe izy ireo. Niainga tao Morondava ny ankamaroany ary hihazo an’i Toliara ny tanjona. Avy hatrany dia nogiazana ireo fiara ary nisy ny fanadihadiana nosokafana. Ankoatr’izay, dia natao fitiliana avokoa ireo mpandeha mba hahafantarana ny toe-pahasalamany, ary miandry ny valin’izany vao azo ampidirina na tsia ao amin’ny faritra izy ireo. Isan’ny tena naha-mailo ny manam-pahefana, dia ny fahenoana fa nisy olona avy any Toamasina tamin’ireo mpandeha. Vao mainka koa namafisina ny fepetra noraisina vokatr’izany. Tany amin’ny làlam-pirenena faha-25 koa dia nisy fiara sarona nitatitra olona. Nogiazana ary nanokafana fanadihadiana. Raikitra tanteraka, toy ny saka sy voalavo, ny fanenjehan’ny mpitandro ny filaminana ireo fiara mandika lalàna ka mbola mitondra mpandeha amin’ny alàlan’ny jonobotry. Efa fantampatatr’ireo mpamily ny toerana izay misy ny barazy ary ajanony eny amin’ny manodidina ny mpandeha. Ireo farany tsy manan-tsafidy, fa mandeha an-tongotra any anaty ala any mba hiafenana amin’ny mpitandro ny filaminana. Etsy andanin’izany, mbola betsaka koa ireo mpandeha izay mbola maka risika ihany ary lasa mampiroborobo ny jonobotry. Eny amin’ny lalam-pirenena faharoa, dia tena mailo tanteraka ireo mpanara-maso. Na ireo fiara mpitatitra entana na sakafo aza, dia iharan’ny fisavana ambony ambany vao afaka manohy ny diany. Hatreto, raha araka ny fanarahana ny fanazavana ofisialy, dia ny goragora sy ny kolikoly amin’ny mbola nisian’ny olona afaka nandia faritra hatrany no nahatonga ny coronavirus niparitaka amin’ny faritra efatra ankehitriny, raha atotaly. Rariny loatra raha namafisina tanteraka ny fanaraha-maso amin’ny fivezivezena eny amin’ny làlam-pirenena.
D.R