Vehivavy iray naratra mafy. Izy io dia isan’ny mpandeha tamin’ny taxi-brousse iray izay nizotra ho any Befotaka. Ny maraim-ben’ny alahady teo no nitranga ny fanafihana. Nasian’ny fito lahy vatan-kazo ny lalam-pirenena faha-35. Nitazona basim-borona roa sy sabatra ary kibay izy ireo. Tsy afa-niala intsony ilay fiara satria haingana be ny fivoahan’ireo olon-dratsy avy ao anaty haizina. Nambanana basy ny mpamily ary niditra an-keriny tao anatin’ny fiara izy fito lahy. Ny finday no nalain’ireo voalohany indrindra, mba tsy hahafahana miantso ny mpitandro ny filaminana angamba. Nanam-potoana ireo avy eo namaha ny entana sy naka ny vola ary ny firavaka teny amin’ny olona. Mitentina roa tapitrisa ariary ny vola voaroba tamin’ireo mpandeha, raha araka ny tatitry ny zandary. Efa lasa mihitsy ny jiolahy vao afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana avy amin’ireo fiara hafa izay sendra nandalo ka nampitana hafatra. Raha araka ny fanampim-panazavana dia nandà tsy nety namoaka vola no antony nidarohan’ireo olon-dratsy ny ramatoa iray. Novelesina tamin’ny kibay ny lohany ary naratra mafy vokatr’izany. Miverina tsikelikely indray fanakanan-dàlana amin’ny lalam-pirenena. Isan’ny tadidy ny fisian’ny kamiao izay nitondra miaramila tamin’ny lalam-pirenena fahefatra izay mbola nisy sahy nanakana ihany. Natao hazalambo ireo jiolahy rehefa sendra ny tsy nampoiziny.
D.R