- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversLalan-dratsin’Anjozorobe : « Aide-chauffeur » kamiao, maty teo am-panalàna « patinage »

Lalan-dratsin’Anjozorobe : « Aide-chauffeur » kamiao, maty teo am-panalàna « patinage »

Nitrangan’ny loza mahatsiravina vokatry ny lalan-dratsy tao amin’ny distrikan’Anjozorobe ny talata hariva lasa teo. Araka ny fantatra dia tovolahy iray, mpanampy ny mpamily, no namoy ny ainy teo amin’ny toerana antsoina hoe Dilandalin’i Masakalina (dilana lalina : vohitra novakiana natao lalana), raha iny ireo niezaka nanesotra ny fiarabe tavela tao anaty fotaka mandrevo iny. Mpitondra kamiao, mpanangona ireo vokatra any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny izy ireo. Ary mazana dia tojo izany fota-mandrevo izany ka tsy maintsy miezaka manala ilay fiarabe ao anaty « patinnage », amin’ny alalan’ny fanotofana tany maina ilay fotaka. Tamin’ity indray mitoraka ity dia niaraka nangady ny sisin’ny lalana izy sy ny mpamily, nitadiavana ilay tany maina. Tampoka teo anefa, nihotsaka ilay rindrin-tany ary nanototra azy roalahy tao. Niezaka namonjy azy ireo avy hatrany ireo nahita, ireo olona tao anatin’ireo fiarabe mpiara-dia. Avotra soa aman-tsara ilay mpamily na dia naratra aza, ilay tovolahy mpanampy azy kosa no nifampitadiavana efa elaela ihany ka ny vatana mangatsiakany sisa no nosokirina avy tao anaty tany. Efa nahazo fitsaboana moa ilay naratra. Nomena ny fianakaviany kosa ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy. Ary efa mandeha ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra.

Marihina fa anisan’ny fositra iray mahatonga ny firongatry tsy fandriam-pahelamana any an-toerana ity lalan-dratsy ao amin’ny distrikan’Anjozorobe ity. Efa maro ihany izay fisintomana lakolosy ho fanairana ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana sy aty amin’ny ivo izay fa toa tsy misy mihaino. Asa, mety hiandry ny fifohazan’i Filoha Ratsiraka tokoa angaha … Tamin’ny fitondràny mantsy no nahavita iny lalam-pirenena fahatelo iny ary ny fitondrana nandimby azy no nampisokatra ny lalana mianavatra mihazo an’Ambatondrazaka. Ary dia tapitra hatreo fa tsy nisy fijerena intsony ny lalana, tao anatin’ny roapolo taona mahery izay …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici