- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversLalana Ambohitsoa-Ivanja : Miteraka fifamaliana isan’andro !

Lalana Ambohitsoa-Ivanja : Miteraka fifamaliana isan’andro !

Tsy misy andro iray intsony tsy miteraka fimenomenonana eo amin’ny samy mpamily fiara amin’ny làlana mizotra mankany Ivanja raha avy aty Ambohitsoa. Ny antony dia satria lalan-tokana no sady kely izany kanefa lasa lalan-droa mandroso sy miverina. Raha vao misy iray tsy mandefitra dia mivadika fifamaliana sy ady avy hatrany ny tohiny. Dia izany no lasa tazanin’ny olona andavanandro eo amin’ilay tanàna izay tsikaritra anefa fa miha-mandroso. Toa izany ny zava-nitranga ny alin’ny alahady teo. Fiara 405 misy « cocarde », mitondra ny laharana 2859 TAD izay raha araka ny filazan’ny vavolombelona dia efa mamo ny mpamily azy, no nibahan-dàlana tsy nety nifandaminana rehefa nifanena tamin’ny fiara hafa. Novonoiny ny fiara dia tsy nety nihetsika teo ilay rangahy. Kivy tamin’ny fihetsiny sady menatr’olona ny vadiny ary nivoaka tao anaty fiara dia lasa nandeha an-tongotra. Ilay rangahy kosa dia niziriziry tamin’ny heviny teo. Ny tena nampalahelo dia nisy fiara iray hafa izay voabahana kanefa nitondra zazakely marary mafy entina any amin’ny hopitaly. Nivoaka ary niangavy ny rainy kanefa dia tsy nampiova ny hevitr’ilay olona hatrany izany. Ny olona no nahatsapa tena ho miady amin’ny adala ary niverin-dàlana lavitra mba nahafahana namonjy fodiana. Raha ny fantatra dia mizotra mankany amin’ny fitoriana ilay raharaha ary mangataka ny fanaraha-mason’ny polisin’ny boriborintany faharoa ny olona mba hijery akaiky izany, satria efa malaza ratsy eo amin’ilay tanàna ny fihetsik’ity mpamily iray ity. Etsy andanin’izany, mangataka ny olona ny mba hisian’ny fandaminana io làlana io. isan’ny tosa-kevitra mandeha ny hanaovana azy « sens unique » na raha mbola sarotra izany, dia ny fanasiana olona karamaina handrindra ny fifamoivoizana. Raha tsy hoe angaha andrasana hifamono ny olona vao hisy ny fandraisana andraikitra…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici