- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversLalana Ankorondrano : Lavaka amin’ny lalana, moto sy fiara maro niharan-doza

Lalana Ankorondrano : Lavaka amin’ny lalana, moto sy fiara maro niharan-doza

Omaly alatsinainy alina, moto miisa hatrany amin’ny fito sy fiara maromaro no niharan-doza tamin’ny lalana Ankorondrano. Vokatr’izany, fiara iray no tena potika be mihitsy, vaky kodiarana, rava ny lohany iray manontolo ary tsy velona intsony ilay izy. Ny amin’ireo moto indray, vehivavy iray no hita nasidin’ny lavaka ary niantonta tamin’ny tany. Tsy nahatsiaro tena elaela izy ary tsy maintsy nentina notsaboina. Misy lavaka be iray eo an-dalam-panamboarana amin’ny sisiny havia raha avy any atsimo ianao. Na dia efa misy aza anefa ny fambara an’io lavaka io, mbola nisy ihany ireo mpampiasa ny lalana no niharan-doza. Tsy takona afenina fa fandehanan’ny olona mafy io lalana io noho ny hatsarany. Ny alina rahateo efa mandroso ka samy maika hody ny rehetra. Maro ny resaka re, omaly alina, fa tokony fara faharatsiny hasiana jiro mitsilopilopy mampitandrina ireo mpamily. Tsy izany anefa fa toa zara raha nasiana tsatoka hazo sy tany niavosa teo. Dia voan’ny tsy nampoizina daholo ny rehetra.

Ireo olona mipetraka tsy lavitra eo dia samy nilaza fa tsy mahita torimaso nanomboka ny fisian’io lavaka io. Misy zavatra midoboka foana re amin’ny ora rehetra. Soa aloha, hoy ny sasany fa efa hamboarina ilay izy. Na izany aza, tsy ampy ny fampitandremana sy ny fampahalalana ny mpamily misy eo. Ny mahavariana, hoy ny sasany, efa ho herinandro telo io lavaka io no teo fa dia toa tsy nisy mihitsy ny fandraisana handraikitra. Tsy vao izao koa no nisy lavakabe teo fa efa indroa izay. Mila fanaraha-maso araka izany iny lalana vita tsara iny.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser