Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalana Digue omaly efa hariva be. Fiara 4X4 iray, araka ny filazan’ireo izay nahita, no nifandona tamina Scooter. Nitsirara tamin’ny tany ilay mpitondra moto ary nisy ny nilaza fa namoy ny ainy. Ilay mpamily ny fiara kosa tsy nijanona mihitsy, hoy ihany ireo nanatri-maso fa lasa nanohy ny lalany.
r.s.