Nisehoana lozam-pifamoivoizana, omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany, tamin’ny làlana Masay. Vokany, olona telo tapa-tongotra ka vazaha nitondra môtô ny iray ary mpanosika sarety fentin-tànana ny roa. Anisan’ny lalana fandehan’ny fiara sy ny môtô mafy ny Làlana Masay ary mahafantatra izany avokoa ny mpampiasa azy. Misy kosa anefa etsy andaniny, sarety fentin-tànana mampiasa isan’andro iny làlana iny.
Tamin’ny ora voalaza etsy ambony, nisy fiara iray Sprinter nizotra tamin’ny sisiny havia, avy aty Ankorondrano ho any Andranobevava. nandeha mora ity fiara ity, araka ny filazan’ny olona tao anatiny. Nilahatra taminy teo an-kavanana, sarety nitondra gony maro nisy vatokely. Ny vaovoa voaray teny an-toerana no nahafantarana fa nisy fiara iray Golf nandeha mafy avy aty aorina. Tsy fantatra aloha na hitan’ny mpamily ireo teo alohany na tsia. Efa akaiky, hoy ihany ny vaovoa, vao nanitsaka “frein” izy. Tsy tafajanona anefa izy ka nifatratra tany amin’ilay sarety. Vokany, olona roa nanosika no tapa-tongotra ary tsy maintsy nentina haingana any amin’ny hopitaly. Ireo nitarika kosa mba afaka niala ny loza. Fa tsy nijanona teo ny fandehan-javatra. Nisy vazaha iray avy taty aoriana koa nandeha mafy nitondra môtô. Asa na noho ny fahatairana na ahoana fa niala ireo sarety sy fiara nifandona izy ary nitsofoka avy aty an-kavanan’ilay Sprinter. Tsy tontosa anefa izany fa nidofotra tamin’ny faritra havanan’ilay fiara izy ary nianjera. Voa mafy tokoa ity vazaha ity ary fantatra fa tapaka ny tongotrany. Nitsirara teo amin’ny arabe koa izy. Ho azy anefa, vetivety dia tonga ny havany nitondra vonjy ho azy niaraka tamin’ny dokotera izay nitsabo azy teo no ho eo teny an-toerana.
Tsapa teny an-toerana taorian’ny loza, fa ilay vahiny indray no maro mpijery fa ireo malagasy mpitarika sarety, tsy nisy niraharaha. Soa fa nisy lehilahy iray izay mendrika ho deraina tokoa ny zavatra nataony. Rehefa avy nandefa ireo naratra tany amin’ny hopitaly izy dia nanome fanampiana ireo mpitarika sarety nijanona teny an-toerana. Ankoatra izany, nitondra fampaherezana ho an’ireo olona ireo izy. Vitsy dia vitsy ny olona mahatsapa tena ohatran’izany.
r.s.