Tapaka tanteraka ny làlana aty amin’ny tapany avaratra eo amin’ny PK 516, nampitohy an’ Ambanja sy Ambilobe. Ny alahady teo no nahatapahan’izany vokatry ny oram-be nikija tao anatin’ny herinandro. Fiara Sprinter iray no efa nihitsoka tamin’io làlana io, ny andron’ny alahady io ihany, raha sendra teo ambonin’ny làlana izy no nihotsaka ny tany. Tsy nisy olona maty anefa tamin’izay fa nisy kosa ny naratra ka nentina notsaboina tany Ambanja. Nanambara ny avy amin’ny ministeran’ny asa vaventy fa hametraka “pont Bailey” 18m ho fanavotana ny mpampiasa ny làlana. Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny fotoana ahatongavan’izany, kanefa ny vahoaka mpampiasa làlana efa sahirana. Nanambara kosa ny lehiben’ny faritra Col Antilahy Martial Michel, raha nijery ifotony io fahavoazana io , fa tsy maintsy atao ny hanarenana izany haingana, satria misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina ato amin’ny faritra ny fahatapan’ny làlana. Anisan’ny olana goavana voalohany haterak’izany ny resaka “delestage”, satria tsy afaka miampita ny làlana ireo fiara lehibe mpitondra solika ireo, izay hamatsy ny tanànan’Antsiranana. Eo koa ny mety hiakaran’ny saran-dàlana noho ny fampitana na ny “transbordement”, hiakatra amin’izay koa ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro. Efa atahorana ihany koa ny eo amin’ny PK 518 mampitohy an’Ambilobe sy Ambanja, ary efa tsy avela mandeha amin’io làlana io amin’izao ireny fiara vaventy ireny , mba tsy hahatapahany tanteraka. Andrasan’ny mponina ny vahaolana haingana sy maharitra avy amin’ny fanjakana amin’ny alàlan’ny ministeran’ny asa vaventy , mba hialana amin’ny fahavoazana lava mahazo ny tapany avaratra isan-taona.
V.JCL