- Publicité -
lundi, novembre 17, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLalangina : Ankizy enina no maty sempotry ny enton'arina nandritra ny alina

Lalangina : Ankizy enina no maty sempotry ny enton’arina nandritra ny alina

Tantara ratsy nanamaloka ny fiainan’ity fianakaviana iray monina ao Talata kaominina ambanivohitra Fandrandava, distrikan’i Lalangina ny zava-niseho ny alin’ny alarobia nifoha alakamisy 24 septambra 2015. Ankizy enina, zanaka mpivady iray, no sempotry ny enton’arina vokatry ny afon-tsaribao tao an-trano, dia ny zanany voalohany 22taona, ny zaza faharoa, ny fahatelo, ny fahefatra, ny fahafito ary ny fahavalo ; izay vao valo volana monja. Tsy tao an-trano izy mivady Ray aman-dreniny tamin’io, fa namonjy fahoriana araka ny fanadihadiana, alina be vao tonga ary natory tamina efitrano hafa. Ankizy nilalao maraina teny amin’ny manodidina ny tranon’ity fianakaviana niharam-boina ity no naheno feo mitrona tao an-trano ka nanaitra ny olona teo an-tanàna. Niezaka niditra an-keriny tao an-trano sy nanaitra ny Ray aman-drenin’ireto ankizy ireto ny olona tety ivelany namonjy voina vao taitra izy mivady ; izay efa semposempotry ny enton’arina ihany koa. 8 mianadahy ny zanak’izy ireo. Tsy teo an-toerana ny zaza fahadimy fa tany Ilakaka. Ny Ray aman-dreniny sy ny zaza iray fahenina irery ihany no avotra tamin’ireo niharam-boina ary nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly ao Fandrandava.

Saholy

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici