- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLalao baolina kitra : Orinasa 14 mandray anjara…

Lalao baolina kitra : Orinasa 14 mandray anjara…

Natomboka ny sabotsy faran’ny herinandro teo ny lalao baolina kitra ho an’ny orinasa eo amin’ny kianja manaram-penitra Barikadimy. Mizara sokajy roa ny mpilalao ; ka ao amin’ny sokajy A ahitana ny Webhelp – Promet – Smmc – Fanlog – la Seal – Callidus – Cfao ; ny ao amin’ny sokajy B ahitana ny Ambatovy – Smem – Douanes – Agl – Custra – Gallois – Somalaval. Raha ny fandaminana teo amin’ny mpikarakara dia « foot à 07 » no andraisan’ireo ekipa ireo. Ny fanazavan’ny mpikarakara Atoa Rakotoharimana Didier, ny AGL (Afrika Global Logistics), dia fifandraisana eo amin’ny samy mpiasa sy mpiara-miasa no tanjona amin’izao lalao baolina kitra izao. Saika nandray anjara avokoa ny orinasa eto Toamasina, ka hisy amboara ho azon’izay mpandresy mandritra izany. Nisy ny lalao natao ho fanokafana ny lalan ny sabotsy teo, ka nilalao tamin’izany ny Webhelp sy Cfao izay nisaraka ady sahala 00 noho ny 00, sy ny Ambatovy sy Somalaval izay nisaraka 01 noho ny 00 kosa, ary ireo lalao samihafa nifandimby. Ankilan’izany dia atao ny sabotsy ho avy izao lalao ampahefan-dalana sy ny lalao manasan-dalana ary ny lalao famaranana, satria amin’ny lalao baolina kitra lalaovin’ny olona 07 dia 15min indroa mihodina ny lalao iray.  

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici