
Anjatony maro ireo mpilatsaka an-tsitrapo na « benevoles » no nahetsika tamin’iny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 notanterahana teto amintsika iny. Ankehitriny, mitairana fatratra ny sasantsany amin’izy ireo ny amin’ny tsy fijerena azy ireo akory taorian’izay hetsika ara-pananjahantena izay. « Ekena fa hoe mpilatsaka an-tsitrapo no « titre » nentinay, izany hoe tsy mandray karama akory. Saingy kosa, nisy ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena sy ny Ministry ny fanantanjahantena, ny amin’ny hijerena ny momba anay momba ny solon-tsakafo sy ny saran-dalana ary ny fahazoana « certificat » araka ny fanazavan’ny nentin’ny solon-tenan’izy ireo tonga taty aminay, Atoa Rakotomalala (tao amin’ny kaomisiona momba ny fampiantranoana sy ny sakafo). « Mampalahelo ny zava-nisy satria vola mitentina telo hetsy ariary isanisany no nampanantenain’ireo tompon’andraikitra, tsy nandray anefa izahay raha tsy iray hetsy ariary monja hatramin’izao. Milaza ireo mpizara vola fa iny aloha no misy fa manaraka eo ny ambiny. Hatreto anefa, tsy nisy tohiny » hoy hatrany izy. « Ny herinandro lasa teo izahay no nasaina nandalo tany amin’ny birao mikarakara izany, teny Mahamasina ary nomena io vola io. Nasaina nanao sonia « contrat », izay tsy afaka novakiana akory izahay tamin’izay fotoana izay, ary ireo izay nikasa hamaky dia na voahilika na voarahona tsy hahazo ilay vola. Ny tena moa maika handray vola, hany ka nanao sonia izay antontaratasy nasain’izy ireo nampasoniavina fotsiny» hoy hatrany ity solon-tenan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo tamin’ny lalaon’ny Nosy ity. Manahy mafy araka izany izy ireo, fa misy ambadika tsy mazava nataon’ireo mpizara vola ka antony tsy nanomezan’izy ireo ny volany. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isanisany araka izany izy ireo, mba hijerena akaiky ny zavatra nanjo azy. Marihana fa niasa mafy nandritry ny 10 andro tsy niato izy ireo, araka ny fanazavana azo hatrany ary nisy mihitsy aza ireo tsy afaka nody akory fa natory tany amin’ny toerana nametrahana azy ireo tsirairay avy tany.
m.L