- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversLangaina : Maty koa ny kapôraly iray, tsy mazava ny raharaha

Langaina : Maty koa ny kapôraly iray, tsy mazava ny raharaha

Nodimandry omaly ilay miaramila iray mitondra ny gradin’ny kapôraly. Izy io dia isan’ilay tsy nahatsiaro tena ary niady tamin’ny fahafatesana nanomboka ny alarobia teo, rehefa avy nipoahan’ny vanja niaraka tamin’ireo namany. Nezahina navotana ny ainy tao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana, saingy be loatra ny may tamin’ny tenany izay heverina ho nitarika ny fahafatesany. Mbola tazomina ao amin’ny hopitaly ireo roa ambiny, isan’ny voa mafy ihany koa tamin’iny raharaha iny. Omaly dia nisy fihaonana saika nataon’ny lehiben’ny Tafika sy ny Zandary tamin’ny mpanao gazety, saingy nijanona tampoka tamin’ny ora farany. Mety vokatr’izay fisian’ny famoizana olona teo anivon’ny vondrona miaramila izay no antony raha araka ny tombatomban’ny mpanao gazety. Koa satria niteraka fahafatesana ilay loza nitranga, dia nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny Zandary ary hiezaka ny hanamarina izay tena zava-nisy. Ny fianakavian’ilay sivily maty, dia tsy nanaiky mihitsy fa sarin’ady no nitranga. Nahoana no nisy sivily nentina nampiasaina nefa sarin’ady miaramila no natao, hoy izy ireo manontany. Hatreto, tsy nisy mbola nandiso ilay vaovao izay nilaza fa nipoaka tao anaty kamiao ny afomanga efa lany daty; izay saika hopotehina any amin’ny manodidina an’i Langaina. Maromaro ny zavatra tsy mazava amin’ity raharaha ity…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici