- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversLaniera- Ambatolampy Tsimahafotsy : Tovolahy voaendaka, very ny môtô sy ny vola...

Laniera- Ambatolampy Tsimahafotsy : Tovolahy voaendaka, very ny môtô sy ny vola 500.000ar

Tovolahy  iray nitaingina  môtô no nisy nanendaka teny Laniera- Ambatolampy Tsimahafotsy ny alatsinainy lasa teo. Vokany, very ny môtô sy ny vola mitentina  500.000 ar niampy karatra fakana vola amin’ny banky.  Ilay tovolahy kosa tetsy andaniny  naratra mafy noho ny vely vy nahazo azy.  Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo moa no nitrangan’izany ary lehilahy roa no nanatanteraka azy. Izy ireo izay nitondra vy maranitra hanakanana  ka handrobana izay mandalo. Teny amin’ny lalam-baovao natokan’ny fanjakana ampiasaina tamin’ny frankaofonia mampitohy an’Antsarasaotra sy Ivato iny no nitrangan’ity fanendahana ity. Raha araka ny vaovao voaray dia niafina tao ambadika  arofanina tetezana lehibe iray ireto roalahy ka tsy tazan’ilay nitondra môtô. Vao manakaiky anefa dia nipoitra izy ireo niaraka tamin’ny fitaovana efa nomaniny. Mba hampijanonana ity môtô dia novelesina teny am-pandehanana teo amin’ny tongony ilay tovolahy ka  nianjera avy hatrany. Nipitika tany anaty fotaka ity voavely vy maranitra. Mandra-pitsangany anefa dia efa tsy teo intsony ilay môtô nentiny. Tsy niandry ela  mantsy  ireto jiolahy fa  avy hatrany dia nitondra izany nitsoaka. Ity voaroba moa dia avy namonjy fety tany am-piasana ka tratra alina. Nanampy ny fahavoazany teto ny ratra mafy nahazo azy taorinan’ilay vely vy maranitra. Tsy misy jiro manazava ihany koa moa ny lalana ka mora ho an’ireo jiolahy ny manao ny asa ratsiny. Niezaka nanenjika ihany ny olona sendra nandalo fa tsy nahita mangirana intsony, ny fotoana rahateo efa alina. Nanjaka tatoato ny fanendahana an’ireny mpandeha  kodiaran-droa ireny ka mila mitandrina.

Kanto R. (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici