- Publicité SW45 -
samedi, décembre 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lanonam-be anio

Maevatanàna : Lanonam-be anio

Anio no hanaovan’ny Ramatoa solombavam-bahoaka Ravoninahitriniarivo Mbadje Jeaninne Gabriel, fisaorana mitafotafo, izay tsy manam-paharoa hoan’ireo mponina ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, araky ny fanasana sy ny antso efa natao tamin’ny haino aman-jery, eto Maevatanàna an-tampon-tanàna. Raha ny fampitam-baovao am-bava voaray hatrany, dia manomboka amin’ny mitataovovonana hoan’ny anio ny fiarahana mihinana ny nofokena mitam-piavanana ao amin’ny  » Espace Tiana Royala Andranomangatsiaka, » izay hiarahan’ny amin’ireo vahoaka rehetra sy ny tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny aty an-toerana. Rehefa tonga kosa ny any amin’ny efatra ora hariva dia misy hatrany ny diabe mamakivaky ny tanànan’i Maevatanàna, ary avy eo dia mihazo eny amin’ny kianjan’ny la place. Aorian’izay kosa ny kabary hifandibiasam-pitenena. Ny any amin’ny valo ora alina no hanatanterahana alim-pandihizana hiarahana amin’ny tarika Din Rotsaka mandra-maraina ny andro, mbola eny amin’ny kianjan’ny la place hatrany, saingy natao tsy misy vidim-pidirana ho fanomezana fahafahapo hoan’olona tsirairay avy. Izany no natao mba hisaorana, ireo vahoaka ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna na ireo tsy nifidy na ireo nifidy azy, Maevatanàna sy manodidina mandroso no tanjona, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici