- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversLapan’Iavoloha : Nitaintaina ny manodidina noho ny feom-basy

Lapan’Iavoloha : Nitaintaina ny manodidina noho ny feom-basy

Nirefodrefotra ny basy omaly tao amin’ny lapan’Iavoloha ary raha ny fahenoan’ny manodidina azy dia toa ireny misy mifampitifitra ireny mihitsy. Nifampiantso ny olona ary nisy mihitsy aza ny nampandre ny mpitandro ny filaminana. Saingy rehefa tena nohamarinina dia hay noho ny fanazaran-tena nataon’ny mpiambina ny Filoham-pirenena no anton’izany. Isan’ny tao anatin’ny fanazarana ny tifitra. Toe-javatra izay mateti-pitranga ihany ny fandrenesana poa-basy manodidina ny lapa na ny toby. Matetika ihany koa no mampisahotaka ny manodidina izany, satria fikasana haka toby na koa fanonganam-panjakana no eritreretin’ny olona raha vao misy toa izany. Dikany, mba mila hampandrenesina ihany ny fokontany rehefa hanao fanazaran-tena ny anaty toby na lapa mba tsy hisian’izay mety ho korontan-tsaina…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser