Feno enimpolo taona katroka amin’ity taona ity ny lisea André Resampa Antsirabe. Tsy hamela izany handalo fotsiny ny tompon’andraikitra sy ireo maintimolalin’ny Lisea André Resampa mikambana ao anatin’ny fikambanana antsoina hoe FIMALARA na Fikambanan’ny Maintimolaly Lycée André Rasampa Antsirabe, marihina fa reny mpiahy ity fikambanana sy ny faha 60 taona ny sekoly ity ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy izay nanovo fianarana tao amin’ny lycée André Resampa. Efitrano fianarana lehibe iray misy rihina, ahitana efitra roa ambony, efitra roa ambany no ho tsangambaton’ny faha-60 taona. Ezahina ho vitaina amin’ity taona ity ny fanorenana azy izay haharitra eo amin’ny fito volana eo. Hotanterahina ny faha-29 Jolay 2023 izao noho izany ny fiadiana ny fototra hoy KASSAM provizeran’ny LARA. Ho enti-manana ho fananganana ity tsangambato goavana ity dia hisy ny alim-pandinihina arahina sakafo hatao ny faha-26 May ho avy izao ao amin’ny hotel des Thermes Antsirabe ka hanasana ireo maintimolaly sy ireo izay nandalo tao amin’ity sekoly ity ka maniry hanatevin-daharana hitondra izay voatsirambin’ny tanana satria ny tao trano tsy efan’irery hoy hatrany ny mpitantanana ny sekoly, iaraha mahita rahateo ny fahasahiran’ny mpianatra noho ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana ao amin’ny LARA. Hetsika fanombohana ity raha ny fanazavana fa mbola hisy ny manaraka satria tsy vita mora ny fananganana efitrano fianarana lehibe izany. Ho fantatra izany aorian’ny 26 May, mandritra ny fivorian’ny FIMALARA.
Andry N