- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversLava-drano : Nahafaty zaza efa-taona

Lava-drano : Nahafaty zaza efa-taona

Tsy nisy azo natao intsony fa efa natsingevan’ny rano ilay zaza vao nisy nahita. Tao ambanin’ny voirie no nitrangan’ity loza ity, ny Alarobia lasa teo. Mpanamboatra trano no nahita ilay zaza efa nitsingevana tao an-dava-drano  ary niantso ny manodidina. Raha ny fantatra, lavadranon’olon-kafa mifanakaiky amin’ny fianakavian’ilay zaza ihany ity nahalatsaka azy ity. Mbola hitan’ny manodidina nilalao ilay zaza saingy tsy nisy nahita kosa ny nahalatsaka azy tao amin’ilay lava-drano. Zaza efa taona ity namoy ny ainy ity, tsy mbola mahalala ny  hahafaty azy akory. Raha ny fantatra dia tsy misarona ilay lava-drano. Ilana fitandremana ny zavatra toy izao, indrindra  fa manakaiky loza tahaka izao ny zaza.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici