- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLavanty teto Toamasina : Firakodia miisa 17 nanaovan’ny ARAI lavanty…

Lavanty teto Toamasina : Firakodia miisa 17 nanaovan’ny ARAI lavanty…

Lavanty faharoa teto amintsika taorian’Antananarivo no nataon’ny ARAI, « Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites », teto Toamasina ny zoma 22 desambra teo tao amin’ny lapan’ny tananan’i Toamasina I. Niisa 17 nahitana fiarakodia tsotra niisa 03 sy traktera niisa 03 ary kamiao niisa 11 ireo natao lavanty tamin’izany, izay olona maromaro no tompony. Fampiharana didim-pitsarana nivoaka araka ny lalana na mbola ao anaty famotorana mifehy ny ARAI no natao, satria entana mora simba ireto natao lavanty ireto. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ARAI, Atoa Rasoloarimanana Aimé mpitsara, dia misy fepetra telo no ahafahana manageja ny fananan’izay voaheloka, dia ny Fanaovana kolikoly amin’ny hendriny rehetra – ny Fanodikodinana volam-panjakana amin’ny endriny jiaby – ary Famotsiam-bola. Afaka manao ity famarotana ny entana amin’ny alalan’ny lavanty ity ny ARAI noho ny antony, raha efa voaheloka didy raikitra ny mpanao heloka sy eo andalam-pamotorana ny olona voaheloka raha mora simba ny entana. Nomarihany ihany koa fa mahatratra hatramin’ny 06 miliara sy 300 tapitrisa ariary ny vola nogiazan’izy ireo amin’ny banky momba ny kolikoly sy fanodikodinam-bola, ka mahatratra 530 ireo olona voakasika tamin’izany manerana ny nosy isan’izany ny eto Toamasina. Misy tany sy trano koa izy ireo izay mbola hotadiavina ny sasany hoy ny ARAI nanazava. Tsy maintsy averina amin’ny fanjakana ireo vola azo amin’ny tsy rariny ireo, ka izay no ataon’ny ARAI na vao herintaona izy ireo no tena niasa, satria manana fe-potoana folo taona ny taom-piasany voalohany izay nanomboka tamin’ny taona 2015 ary hifarana ny taona 2025. Nahasarika olona maro ity lavanty am-pahibe-maso natao tao amin’ny lapan’ny tanana ity, ka nilazan’ny ben’ny tanana fa « lalana lavitra ezaka ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika ity, nefa efa manomboka izy izao ka anjaran’ny tsirairay no mitandrina mba tsy ho voan’izany ».

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici