- Publicité -
mardi, décembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena Toamasina : Lavon’ny bala UIR ny jiolahy mpamerin-keloka iray

Polisim-pirenena Toamasina : Lavon’ny bala UIR ny jiolahy mpamerin-keloka iray

Miditra amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy ireo sampan’ny polisim-pirenena eto Toamasina, ka isan’izany ny “Unite d’Intervention de la Police”, na UIR Toamasina, amin’izao ankatoky fetin’ny faran’ny taona sy ny krismasy izao. Ny alin’ny zoma teo, vokatra izany, nahatratra jiolahy teo am-panaovana ny asa ratsiny, ka voatery nampiasa ny basy teny an-tanany ireto Polisy tao Tanambao Verrerie. Voalaza fa mpamerin-keloka ity jiolahy ity, ary vao haingana nivoaka ny fonja raha nahavita ny saziny tao anatin’izany. Niaiky ny asa ratsiny izy ary nanaiky ny hanoro ny namany tao anatin’ny fahatrarana azy izao, satria maromaro izy ireo nanao ity asa ratsy fa izy no tratra tao anatin’ity vaky trano ity.  Nandritra ny fitondrana  azy nanoro ny namany anefa dia nikasa ny hitsoaka ny tenany. Voatery nanao tifi-danitra ireo polisy vokatr’izany, nefa nikasa ny hitsoaka foana ilay jiolahy. Voatery nampiasa ny fitaovana teny aminy ireto polisy, ka maty vokatra’izany ity jiolahy efa tratra nitsoaka ity. Tao anatin’izany dia nisy ny fitondrana azy teny amin’ny toeram-pitsaboana mba hanavotana ny ainy, saingy efa tsy avotra intsony vokatra ilay tifitra nahazo azy. Nilaza anefa ireto polisin’ny UIR ireto fa tsy mitsahatra hatreo akory ny fametrahana ny filaminan’ny tanàna noho ireo andian-jiolahy manao ny ataony eto Toamasina renivohitra amin’izao fety izao. Nanome toky ireto pilisim-pirenena fa tsy maintsy hilamina ny fety hatrehan’ny daholo be ity.

Malala Didier

 

 

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici