Lehilahy iray no tra-tehaky ny fokonolona teo am-pandrobana trano teny amin’iny faritra Lazaina Avaradrano, kaominina Anosy Avaratra, omaly vao maraim-be. Mamo tsy naharay vatana intsony ingahirainy ka tsy afa-nitsoaka intsony na dia efa voangona sy vonona ary nobataina fotsiny aza ireo entana nokasaina hangalarina. Voalaza fa tsy naharitra ireo labiera tao anaty vata fampangatsiahan’ilay trano norobainy ka dia nisotro…
Mazava ho azy, efa manomboka leo amin’ity resaka tsy fandriampahalemana ity ny olona ka rafitra nidaroka sy namono ary rehefa afa-po vao niantso ireo mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano, nitondra ity lehilahy ity tany amin’ny birao mba hanaovana fanadihadiana. « Naratra be ihany ity lehilahy ity ary efa nentina nojeren’ny mpitsabo, izay vao nentina notazomina natao andrimaso » hoy ny fanazavana.
Marihana fa hoe niasa nandoko tao amin’io trano norobainy io ihany ity lehilahy ity, izay raha zohiana tamin’ny famotorana natao azy dia efa jiolahy rain-dahiny ihany. Heverina fa tetik’ady nentina namantarana ny hidin-trano hafa indray sy ireo entana rehetra sarobidy tao amin’ilay tokatrano izany. Voalaza mantsy fa efa niharan’ny fandrobana efa maromaro ihany talohan’izao io tokatrano io ka mazava ho azy fa tsy maintsy efa novain’ireo tompon-trano ny hidim-bavaravarana. Fantatra tamin’ny fanadiadiana natao ity lehilahy ity fa izy ihany no tompon’antoka tamin’ireo asa ratsy ireo ary io saika mbola hiverenany io kanjo izao tratra izao ingahirainy, soa ihany ! Na izany aza anefa dia fantatra fa miteti-bidy eo amin’ny efatra hetsy sy roa tapitrisa ariary teo ho eo no totalin’ny entana efa voarobany tamin’izany. Anio no fantatra fa mety hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ity jiolahy ity, raha tsy misy ny fiovàna.
m.L