Lehilahy iray manodidina ny 25 taona no hita faty tetsy Lazaina, kaominina Sabotsy Namehana, ny sabotsy lasa teo. Hataraina ny an’ireo mpiantsena maraina raha nahitana izao tranga nampihoron-koditra izao ary izy ireo no nampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitra. Raha ny tombatomban’ireo mpitsabo sy ny zandary tonga teny an-toerana, dia avy novonoina ity tovolahy ity ary natsipy teo amin’ity toerana ity ny fatiny avy teo. Ireto farany hatrany no nilaza fa tamin’ny fomba nahatsiravina mihitsy no namono an’ity lehilahy ity. Notontaina biriky mantsy ny lohany, izay mbola hita mangotanatana ny ratra navelan’izany. Tsy vitan’izay anefa, fa mbola notorahana tamin’ny vato ihany koa ny tarehiny ka fesona, tsy nisy hamantarana azy intsony, raha ny fampitam-bavaovao ny zandary avy eny an-toerana hatrany. Noho izay endriny potika tanteraka sy tsy nisy hamantarana azy intsony izay dia sarotra tamin’ireo mponina manodidina ny namantatra an’ity lehilahy. Tany aminy ihany koa, tsy nahitana na inona na inona momba azy araka ny fanazavana nomen’ireo zandary hatrany. Naterina avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra moa ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo avy ao Sabotsy Namehana. Nanokatra fanadihadiana kosa ireo mpitandro filaminana, mahakasika ity tranga tsy dia fahita firy teny an-toerana ity.
m.L