- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLazaina Avaradrano : Raim-pianakaviana nanasaraka ady, maty voatifitry ny totohondry

Lazaina Avaradrano : Raim-pianakaviana nanasaraka ady, maty voatifitry ny totohondry

Izy niezaka nanasaraka ny ady nifanaovan’ireto andian-jatovo indray no lasibatra, ary niafara tamin’ny famoizany ny ainy mihitsy. Raim-pianakaviana iray, tokony ho 57 taona no voa mafy teo amin’ny lohany ary nitarika hatramin’ny fahafatesany, ny andron’ny sabotsy teo, tetsy Lazaina Avaradrano, ao anatin’ny kaominina Anosy Avaratra. Fahavoazana teo amin’ny lohany, vokatry ny dona mafy nahazo azy no nitarika izay fahafatesana izay, raha ny fanazavana azo.

Nitrangana savorovoro vao maraina tokoa tao amin’io tanana io, tamin’io andron’ny sabotsy io. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any dia efa injao nanakotaba ny olona mbola ao anaty torimaso ny fifamaliana nisy teo amina andian-jatovo maromaro. Tovolahy miisa efatra no nifamandratra ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana tamin’izay, raha ny angom-baovao. Ady saritaka izay noho ny resaka disadisam-piaraha-monina teo an-toerana, raha ny filazan’ny zandary. Naheno sy nahita izany ity raim-pianakaviana ity ka nitsangana ho olon-dehibe, niezaka nanasaraka azy efa-dahy. Kanjo tsy izay no zava-nisy fa avy hatrany dia tifitra totohondry no niantefa teny aminy, teo amin’ny lohany ka nitarika ny fianjerany sy nikarapohany tamin’ny tany nony avy eo. Tsy nihetsika intsony. Nampitangorona ny olona vao maraina izany tranga izany. Nezahina nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ilay rangahy saingy efa tsy nisy azo natao intsony ny taminy. Teo no nampandrenesina avy hatrany ny zandary. Nisy ny fitsirihana ifotony natao sy ny fanokafana ny fanadihadiana. Nosamborina teo no ho eo ihany koa, izy efa-dahy,  fositra nahatonga ny kotaba sy izao fahafatesana izao. Nentina avy hatrany natao famotorana sy notanana natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary ao Anosy Avaratra ry zalahy ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici