Tsy mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily araka ny notaterin’ny olona no nitifitra jiolahy nitam-basy tetsy Ambondrona fa « Légionnaire » teo aloha. Izy no isan’ny nahatsikaritra ireo jiolahy mitam-basy zay handeha hitifitra ilay ramatoa vao avy naka vola tamin’ny « cashpoint ». Tsy nahazaka ny nitazam-potsiny ny lehilahy ary niditra an-tsehatra avy hatrany. Notolominy ilay jiolahy izay mbola teo am-pamahanana basy ary nalainy ilay fitaovam-piadiana. Tao anatin’izay no nipoaka indroa ny basy ary nahavoa ny jiolahy iray izay tsy afa-nihetsika intsony, tafaporitsaka kosa ny faharoa. Tsy nitazam-potsiny araka izay voalaza ny lehilahy satria toa manenjika tokoa ny sainy raha ny zavatra niofanana nandritra ny taona maro tany aloha tany no tsy nampiharina amin’ny fotoana mety nilàna azy. Indrindra koa vonjy aina no natao. Any amin’ny firenen-kafa dia omena mariboninahitra mihitsy ny olona izay azo sokajiana ho mahery fo toa izany. Etsy ankilan’izany, raha ny fantatra dia vola mitentina 10 tapitrisa ariary teo no nokendren’ireo jiolahy nalaina teny amin’ilay ramatoa izay saika notifirina. Izany hoe efa manam-baovao koa izany ny jiolahy mahakasika ny fivezivezen’ny vola eny amin’ireny kioska ireny. Manana mpitsikilo matanjaka ary mety azo heverina koa fa misy firaisana tsikombakomba anaty tambajotra.
D.R