- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversLehiben’ny dahalo voasambotry ny zandary : Nanome valo tapitrisa ariary mahery ho tambin’ny...

Lehiben’ny dahalo voasambotry ny zandary : Nanome valo tapitrisa ariary mahery ho tambin’ny famotsorana azy

Dia vao maika nitombo hatrany ny vesatra niampangana ity olon-dratsy iray fantatra amin’ny anarana hoe « Ingahy Vao », na Ralaivao, lehiben’ny dahalo any amin’iny faritra Ikalamavony iny. Raha iny izy voasambotra iny mantsy dia nilaza ny hanome sy efa nanolotra vola mitentina valonjato sy valo tapitrisa ariary ireo zandary mpisambotra azy izy, ho takalon’ny famotsoràna azy. Soa ihany, tsy nety nandray ireo zandary …

Araka ny fampitam-baovao azo dia efa maro ny taratasy fampisamborana an’ity lehiben’ny dahalo any an-toerana ity ary efa an-taonany maro no nikarohana azy saingy tafaporitsaka foana ny anao lahy. Ny faran’ny herinandro lasa teo, ny 13 jona dia tratry ny velam-pandriky zandary tao Ikalamavony Ingahirainy ary tsy afa-niala intsony. Nanao izao tetika rehetra izy teo mba hamotsorana azy teo am-pelan-tanan’ireo zandary ka tonga hatrany amin’io fanomezana vola ho an’ireo zandary mpisambotra io. Saingy soa ihany fa tsy hoe maso mahita vola ny an’ireo mpitandro filaminana ka notohizana hatrany fakàna am-bavany azy. Izy rahateo nilaza fa vonona hanoro ny misy ireo namany.

Tetsy an-danin’izay anefa, voalaza fa ny alatsinainy 15 jona teo dia tsikaritry ny fokonolona fa misy andian’olona mampiahiahy, nirongo fitaovam-piadiana, niampita ny reniranon’i Matsiatra. « Araka ny fanangonam-baovao maripototra dia handeha hanafaka ny lehibeny izay eo ampelantanan’ny zandary no antondian’izy ireo, dia i Ngahy Vao izany ». Nampiana avy hatrany araka izany ireo mpitandro filaminana niambina ity Lehiben’ny jiolahy ity izay tonga tany an-toerana. Nidina tany an-toerana niaraka tamina zandary maromaro ny avy eo anivon’ny vondron-tobi-paritra Fianaratsoa, nampian’ireo miaramila avy eo anivon’ny 219e Compagnie, ZRPS.

Nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voalaza fa fiheren’ireo dahalo ireo mptiandro filaminana niaraka tamin-dRalaivao. Tifitra variraraka anefa no nitsena ireo mpitandro filaminana. Raikitra teo ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny roa tonta. Tsy nahaleo tosika ireo mpitandro filaminana tsara hofana iretsy andian-dahalo ka nilavo lefona. Nisy tamin’izy ireo rahateo no maty voatifitra, anankiroa ary maro ireo naratra. Nandritra ny fotoana nifanjevoana teo anefa, no nanararaotan’Ingahy Vao nitsoaka nihazo ireo namany saingy nony vita ny fifampitifirana ary tapitra nitsoaka ireo olon-dratsy dia hita fa anisan’ireo dahalo voatifitra sy maty malaso rain-dahiny ity. Basy kalach niaraka tamin’ny bala 19 sy basy vita gasy roa kosa hita taorian’ny fifandonana. Mbola mitohy moa any an-toerana ny haza lambo atao tamin’ireo dahalo nitsoaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici