Efa ho tapa-bolana izao ny herika sy ny hirifirin’ny hatsiaka eto Toamasina, noho ny toetr’andro ateraky ny alizay. Tsy misy tsy mitaraina noho izany ka zary lasa amin’ny fiteny hoe « ririnin-dasa tsy tsaroana » ny zava-misy vokatry ny hatsiaka mamirifiry be loatra. Noho izay indrindra dia nandray andraikitra ny lehiben’ny faritra atsinanana, Talata Michel, tamin’ny anaran’ny fanjakana niezaka nanampy ara-tsakafo ireo olona marefo sy ireo sahirana isaky ny boriborintany, ka nanolotra vary 15 taonina (300 kitapo) nifampizaran’izy ireo, izay natao tao amin’ny biraon’ny boriborintanin’Ankirihiry omaly talata 17 jolay. Olona an’arivony samy nahazo vary 05kgs avy no notolorana ireto vary ireto. Ankoatra izay dia zaza sy ankizy ary tanora lahy sy vavy miisa 700 no notolorana ny kopia maripahaterahany tao amin’ny kaominina Antetezambaro distrikan’i Toamasina II, ny faran’ny herinandro teo. Ny fiaraha-miasan’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina tao Antetezambaro tamin’ny fitsarana teto Toamasina no nahatontosana izany. Nambaran’i Talata Michel fa tafiditra amin’ny drafi-pampandrosoan’ny faritra izao hetsika izao.
Malala Didier