Hagagana ny an’ity mpiambina ity nahita ity rangahy maty teo an-davarangan’ny faritra.andrasany ny faran’ny herinandro teo. Efa mpatory eo amin’ity faritra ity izy noho izy tsy manan-kialofana, ny nahafaty azy no nanaitra ity mpiambina. Lehilahy tokony ho 40 taona eo ho eo izy ity, ka resaka hanohanana nahazo azy no mety nahafaty azy, satria nanoram-be ny andro tamin’io fotoana io, ary somary nangatsiaka ihany koa. Tamin’ny 05ora sy sasany no nahita azy raha ity mpiambina andeha hividy mofo ny mpampiasa azy. Tonga nizaha ny razana nandritra izany ny dokotera mpisahana izany eo anivon’ny kaominina Toamasina sy ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny polisim-pirenana, ka ireo dia nanamarika ka “mort naturelle” no nahazo ilay rangahy noho anohanany be loatra. Niatrika izany koa ny filoham-pokontany; ka nentina teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be ny razana izay tsy nisy nilaza ho fianakaviany ny olona.
Malala Didier