- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Lehilahy iray lavon’ny polisin’ny UIR

Asan-jiolahy : Lehilahy iray lavon’ny polisin’ny UIR

Ny alarobia lasa teo tokony tamin’ny 3 ora maraina, teo akaikin’ny CSB II Tanambao Verrerie, nifanehatra tamin’ny olon-dratsy dimy efa nampiahiahy ny polisy. Nitsoaka ireo rehefa nasaina nijanona, mba hanaovana fisavàna. Nanohitra avy hatrany ireo jiolahy ary  namoaka fitaovam-piadiana manoloana ny mpitandro filaminana. Tsy maintsy niaro tena ny polisin’ny UIr ho fiarovana ny ainy ka lavo noho ny tifitra nahazo azy ny jiolahy iray, ary tafaporitsaka ireo namany miisa efa-dahy.  Mitohy ny fikarohana azy ireo. Voalaza fa jiolahy efa nokarohina sy mpanao fanafihana ao Toamasina ity lavo ity.

Araka ny fanazavana, nisesy ny vaky trano tao an-tampontanan’i Toamasina ny faran’ny volana desambra teo sy ny fiandohan’ny volana janoary, nanamafy ny paikady ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny fikarohana an’ireo jiolahy ny polisy mba hamongorana an’ireo mpanao ratsy.   Manentana hatrany ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka ny Polisimpirenena mba tsy hisalasala hitoroka ireny mpanao ratsy any anaty fiarahamonina ireny na koa  hizara vaovao mety ilaina hahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Voatazona hatrany ho tsiambaratelo tanteraka ny fitorohana ny jiolahy sy mpanao ratsy eny amin’ny Polisimpirenena, hoy ny fanamafisana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici