- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversLehilahy iray namono tena hita faty nihantona tao an-tranony

Lehilahy iray namono tena hita faty nihantona tao an-tranony

Lehilahy iray nanana olana ara-pitiavana tamin’ny olon-tiany no maty tsy tra-drano, hita faty nihantona tao an-trano fonenany eny Ambaniala, Kaominina Andranonahoatra Itaosy, ny talata vao maraina be teo. Raha ny fantatra dia nahantony tamin’ny tady manakaiky ny fefy amin’ny varavarankeliny ny tendany, ka ny rahalahiny handeha hiaraka hiasa aminy no nahita ny fatiny nikirazorazo tao an-trano tamin’io fotoana io. Nampandre avy hatrany ny fokonolona teo amin’ny manodidina sy ny mpitandro filaminana ity farany.
Nanao veloma farany ny havany tao amin’ny “facebook”. Araka ny vaovao voaray dia namono tena noho ny famoizam-po vokatry ny tsy fahazakany ny olana tao an-tokantranony ity lehilahy nandray fanapahan-kevitra hanapitra ny ainy izao. Raha ny loharanom-baovao dia efa ela no niomana ho tonga tamin’izao fanapahan-kevitra izao mihitsy ny tenany, voalaza mantsy fa nanao veloma farany ny havany sy ny vadiny tamin’ny tambajotra sosialy “facebook” izy mialoha izao nahitana ny fatiny tao an-trano izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici