- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarotaolana -Maevatanàna : Lehilahy iray no maty voatetika famaky, naratra ihany koa...

Marotaolana -Maevatanàna : Lehilahy iray no maty voatetika famaky, naratra ihany koa ny ralahiny

Manomboka mampametra-panotaniana ny mponina ny fahenoana fanafihan-jioalahy, izay maty lavon’ny balan’ny Zandary na io any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna na ihany koa tany Berivotra 5/5 sy any Begogo/Tsararano tamin’ity volana Jona 2024 ity, ny feo heno etsy sy eroa ny hoe: efa akaiky tokoa ve ny fetin’ny Asaramanitra na ny fetim-pirenena Malagasy no mananaraotra mitady vola malaky ny malaso amin’ny hitsinjovana ny vady aman-janany amin’izao akatokan’ny fitsenana ny fety izao, io ny resaka tsy miala eny ambonin’ny molotr’olona tsirairay avy. Raha hojerena tokoa ny zava-nitranga tao an-tapon-tanànan’i Marotaolana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny harivan’ny Atalata faha 18 Jona 2024 teo, tokony tamin’ny fito ora, dia jiolahy niisa telolahy nitondra basim-borona sy zava-maranitra, toy ny: famaky sy antsy lavalela no tonga nanafika tamin’ny tokan-trano iray, izay trano rihana. Rehefa nigadona tao amin’ny toerana voatondro hotafihana ny malaso no niditra am-boletra sy nitora-bato, raha nitalatalana tety an-tokontany ny iray hafa. Taitra ny olona tao anatin’ilay trano, rehefa naheno feo nitady olona sy tora-bato, ka tao ny nisaoty varavakely avy eny ambony rihana mba hitsoaka. Ireo lehilahy mpiray tampo no tonga dia nitsena an’ireo malaso roalahy, ka raikitra ny rombo, saingy tsy nahatohatra ny dahalo izy roalahy na dia efa nanao izay farany heriny aza, any ka nanarapo ny jiolahy tamin’iny fampiasana ny famaky sy ny antsy lavalela teny an-tanany. Vokany: naratra vaoafira teo amin’ny tendany, Sady tsy nahatsiaro tena, teo no eo ny anakiray, raha naratra voakapa ihany koa ny lohan’ilay iray hafa. Tsy niandry ela ny malaso rehefa nahita ny fahavoazan’izy roalahy no nitondra ny entana, izay zakan’izy ireo sy ny vola tao, ary nitsoaka nandositra nalaky. Rehefa hita sy lasa ny malaso, dia nirohotra namonjy niharam-boina ny fokon’olona no nitondra azy roalahy nitsirara tao an-trano, tao anaty fiara taksiborosy iray, saingy iny efa nihazo ny tetezana atsimon’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary no nitambotsitra sy niala ainy Ilay lehilahy iray tokony eo amin’ny telopolo taona eo. Efa nahazo fitsaboana ao amin’ny hopitalibe Moeafenokely/Maevatanàna kosa ny ralahin’ilay maty. Natolotra sy andrasana ao amin’ny tanànan’Ambodimadiro, fokontan’Anosikely avaratra, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny razana. Raha ny fitantaran’Atoa Serges fianakaviany niharam-boina dia nitaky vola aterikalao tamin’ny vodiondry natao ny Zoma lasa teo iny, ireo malaso roalahy rehefa tafiditra tao amin’ilay trano hotafihana, hoy ity farany raha nitondra fanazavana taminay, satria tamin’io andro voalaza etsy aloha io no nahavita vodiondry aram-panadiana na fomban-drazana ny fianakaviany tao amin’ity tokan-trano nanaovana fanafihana ity, ary mety izay hoy izy ny aton’izao fanafihana izao. Nanamafy ihany koa zoky Serges, fa tsy nifalavitra tamin’ireo Zandary manao sakana fiara amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny ny nisehoan’ny fanafihana hoan’ny tao an-tampon-tanànan’i Marotaolana tamin’io andro io.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici