Hataraina ny an’ireo fokonolona tany amin’ny tobim-bolamena iray, atao hoe: Adranovaky, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny tolak’andron’ny Alakamisy lasa teo, raha naheno ny loza niseho tamin’ilay lehilahy iray nihotsahan’ny tany tao anaty vavam-patana fitrandrahana volamena izy ireo. Raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga taminay hatrany, dia nisy lehilahy maromaro no niasa nanaraka lalam-bato tohin’ny » Tonnelle » ireny, izay mifandimby mitsofoka ao anatin’izany, ka ilay lehilahy voalaza etsy ambony no voatondron’ireo namany nitsofoka tao. Tampoka teo anefa dia nihitsana tsikelikely tany no mailo sy niakatra malaky avy ao amban’ny tany niasana ranama, ka iny efa tafavoaka iny ny vatany ambony no tonga dia nihotsaka ilay tany, ary nototoran’izany ny vatany ambany, raha nahazo masoandro kosa ny tapan’ny ambony amin’ny vatany. Ka nohezan’ny vatan-dehilahy nesoron’ny tao ny lehilahy, saingy efa vaky » tatatavy » vokatry ny fihotsahan’ny tany izy, rehefa nifampotolomana niala tao. Efa nahazo fitsaboana sahaza ao amin’ny hopitalibe Morafenokely eto Maevatanàna an-tampon-tanàna moa ity farany no tsy misy hatahorana ny ainy sy ny tatavy vaky. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, dia tsara hatrany ny mampahafantatra, fa ny asa volamena no tena asa hilomaizan’olona hitrandrahana aty amin’ny faritra Betsiboka, indrindra ny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna nohon’izy asa mahavelona malaky, rehefa mahita amin’ny grammes sy amin’ny kilao. Ny vidiny raha teo efa manomboka miakatra sy tsaratsara, izay tafiakatra telo hetsy ariary, iray » grammes, » tsetsatsetsa tsy haritra ihany moa ny tian’ny mpanoratra horesahina sy hasogadina hatreto. Ratantely
Articles qui pourraient vous intéresser