Tao anatin’ny « puce » very ity volabe an-tapitrisany maro. Rehefa naverina teny anivon’ny tambajotram-pifandraisana anefa ny laharana dia indrisy fa tsy tao intsony ilay vola. Rehefa natao ny fanarahana dia fantatra fa efa nisy naka izany. Nisokatra teo ny fanadihadiana.

Lehilahy iray, 38 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka na ny cybercriminalité, ny zoma teo. Voarohirohy tamin’ny resaka halatra vola mitentina sivy tapitrisa ariary tao anatin’ny findain’olona ity farany.
Ny zava-nisy araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy : tonga nametraka fitairanana teo anivon’ny pôlisy ny tompon’ny « puce » iray fa very ny volany tao anatin’izany. « Nanokatra fanadiadiana avy hatrany ny Polisy. Taorian’ny fanangonana ireo porofo dia hita ny toerana misy ity lehilahy ity. Ny zoma 25 oktobra 2024 teo akaikin’ny Magro Behoririka izy no tra-tehaka. Niaiky izy fa naka ny vola 9.000.000 Ar tao anatin’ilay puce ». Tamin’ny famotorana hatrany no nahafantarana fa tsy niasa irery ity lehilahy ity fa nisy namany : « olona miara-miasa aminy mpivarotra « puce » izay misoratra amin’ny anaran’olona hafa ka ahafahan’izy ireo mamindra ireo vola izay angalarin’izy ireo ». Izany hoe mety ankevitry ny tambajotra iray mihitsy no misy ity lehilahy ity. Milaza ny mbola ao anatin’ny fanohizan’ny famotorana moa ireo mpitandro filaminana. Ilay lehilahy voasambotra kosa, natolotra ny fitsaràna omaly.
m.L