
Maro ny zavatra hita amin’ireo olona kimamomamo ho an’ny taty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tsy sanatria mandatsa an’ireo olona maty vokatr’izany, fa diso tafahoatra loatra tokoa ny fisotroana toaka, na io, ho an’ireo olona mpianakavy torana tsy nahatsiaro tena nifampitoraka biriky, tao Andranobevava ny alarobia faha-26 jona, na ihany koa ny tao Mahazomà tampon-tanàna, nandritra ny fampisehoana ara-javakanto niarahana tamin’ny tarika Annicette ny andron’ny alahady faha-23 jona, izay nahitana lehilahy kimamomamo nandratra « quartier mobile » iray tamin’ny antsy. Ity tranga manaraka ity indray, dia ny talata faha-25 jona, izay mbola tao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy no mbola nahitana lehilahy iray efa somary kimamomamon-toaka, tonga nividy simenitra folo gony, tao Mahazomà an-tampon-tanàna ny androtr’io ihany. Voalaza fa niaraka tamin’ny zanany ity lehilahy lehibe ity no nanararaotra naka vazony toako. Rehefa vita ny fangalana vazony tamin’ny fisotroana toaka, dia niroso tamin’ny fitondrana ny simenitra avy novidiana, izy sy ny zanany lehilahy iray, ka handeha hamonjy fiodiana any Ambaibokely, atsimon’ny fokontanin’i Maroboha, izany hoe mbola any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà hatrany, raha ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tsy nisasaka avy ny lalana nizorana, dia latsaka tampoka teny ambonin’ny sarety ilay lehilahy lehibe, satria ny zanany no nitondra ny omby tamin’ny sarety tamin’izany. Ny papany nianjera avy eny ambony sy efa nodiavin’ny kodiara-tsarety no tazan’ity farany, sady taitra tampoko izy. Vatana efa mangatsiaka tsy misy aina intsony no hitan’ilay zanany. Niantso ny olona izay sendra tazana teny an-dalana mba hifanome tanana ilay zanany. Taorian’izay no tonga nijery ny zava-nisy ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo, ary efa nomena ny fianakaviany ao Ambaibokely ny razana.
Ratantely