- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversLehilahy misandoka ho Jeneralin’ny Tafika : Misoloky sy mampihorohoro olona

Lehilahy misandoka ho Jeneralin’ny Tafika : Misoloky sy mampihorohoro olona

Lehilahy iray manodidina ny 63 taona, manao fitafiana mihaja, tsy misaraka amin’ny « malette » no voasambotry ny pôlisin’ny faritany avy ao Ambohidahy ny talata lasa teo, tao anaty hôtely iray teto an-drenivohitra. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia tsy tahotra tsy henatra fa dia milaza ny tena ho manamboninahitra ambony, jeneraly ao amin’ny Tafika ity rangahy lehibe ity. Mampiasa izany anarana izany ary manararaotra mambotry sy mampirohoroho ny olona hosolokiany izy amin’izay fotoana izay. Efa maro dia maro ny olona voasolokin’ity rangahy ity raha ny vaovao voaray hatrany. Ary efa tany amin’ny volana oktobra tamin’iny taona nivalona izy no nanomboka nanita-tsaina nanao ity asa ratsy ity. Tsy mifidy saranga jonoina ranamana amin’izany asa ratsiny izany, saingy ireo vehivavy no tena efa betsaka lasibatra tamin’izany. Milaza mantsy ity mpisoloky rain-dahiny ity, fa manana hazo sarobidy amidy, ka hakany volabe mialoha ireo olona. Voajono amin’ny maha-manamboninahitra azy ireo olona ka dia matoky be fahatany sy manome ilay vola. Rehefa raikitra anefa ny « sera » dia manjavona tsy hita intsony ingahy « jeneraly ». Ary raha misy fotoana ahitana azy aza dia mandà an-kitsirano ny vola any aminy izy na mandrahoana mihitsy amin’ny basy. Ireo mpanao « taxiphone » ihany koa no velon-taraina mihitsy ny amin’iny afitsok’ity jeneraly sandoka ity. Maka fahana isan-karazany mantsy izy, raha ny vaovao hatrany ary tsy manome vola avy eo na be vava amin’ny maha manamboninahitra azy. Ny tena loza aza, raha ny fanazavana azo hatrany dia raha vehivavy no hifampiraharahany ka miaraka amin’ny vadiny ity farany mankany aminy mitaky ilay vola, dia ambarany tsotr’izao fa mpisipa izy sy io vehivavy io, ka zary lasa mitarika disadisa indray eo amin’ireo olon-droa. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo pôlisy tamin’ity lehilahy ity dia niaiky tanteraka ny maha-mpisoloky azy izy, ary tsy manana izany galona izany velively no sady tsy miaramila akory aza. Fantatra fa efa voasazy tamin’ity asa fisolokiana ity io rangahy io, kanefa dia izao namerina izao indray, ary vao mainka niakatra ambonimbony aza.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser