- Publicité -
jeudi, novembre 6, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLehilahy namono nahafaty ny rainy : Nidoboka eny Tsiafahy

Lehilahy namono nahafaty ny rainy : Nidoboka eny Tsiafahy

Natolotra ny fampanoavana omaly ilay lehilahy 40 taona, voalaza fa namono nahafaty ny rainy niteraka azy teny Ambahaditokana Itaosy. Nidoboka eny Tsiafahy avy hatrany ity nahavanon-doza ity, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Raha tsiahivina tokoa iny tranga iny dia ny zoma lasa teo no nisy fifamaliana teo amin’ity lehilahy ity sy ny ray aman-dreniny. Rehefa avy nidaroka ny reniny dia tany amin’ny rainy, lahiantitra 80 taona, teo indray no niantefan’ny hatezerany. Famonoana feno habibiana tokoa satria dia notaritaritiny ho eny an-tokotany ity lahiantitra ity ary avy notontainy tamin’ny vatobe ny lohany. Namoy ny ainy avy hatrany teo ambany masony ity raim-pianakaviana ity. Notanan’ny mpitandro filaminana avy hatrany kosa io lehilahy io ny andron’iny ihany ary io natolotra ny Fampanoavana omaly io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser