- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilÀ lireLalam-baovao Ambohitrimanjaka : Lehilahy niampita arabe, maty voadonan’ny fiara

Lalam-baovao Ambohitrimanjaka : Lehilahy niampita arabe, maty voadonan’ny fiara

Tsy fitandreman’ny roa tonta, na ilay mpamilin’ny fiara izay nandeha mafy, na ilay niampita arabe, tsy nijery tsara mialoha ny hiampitàna, ireo no voalazan’ny mpitandro filaminana fa mety ho antony nahatonga ity loza mahatsiravina tetsy amin’ny « rocade » Ambohitrimanjaka. Ny andron’ny talata hariva, tokony ho tamin’ny efa ora hariva latsaka kely teo, dia nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, tamin’iny lalam-baovaon’Ambohitrimanjaka, hivoaka aty Andranotapahina iny. Raha ny vaovao azo dia lehilahy iray manodidina ny 63 taona no maty tsy tra-drano rehefa nodomin’ny fiara tsy mataho-dalana iray teny an-toerana. Handeha hiampita arabe ity farany tamin’io fotoana io no tsy nahita ilay fiara 4×4 marika Nissan Hardbody, nirimorimo fatratra avy any Ambohitrimanjaka avy any. Tsy tana intsony ny loza. Nipitika lavitra mihitsy moa ity farany vokatry ny dona mafy nahazo azy ary tsy nihetsika intsony. Namonto ny arabe ny rà. Niezaka nentina nihazo ny vonjy taitry ny hôpitaly tetsy Anosiala moa ity farany izay indrisy fa efa tsy nisy azo natao intsony.

Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ireo mpitandro filaminana ary nanokatra ny fanadihadiana. Nentina notanana natao andrimaso kosa ny mpamilin’ilay fiara namoa-doza ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici