
Eo amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka Mahitsy-Antohomadinika no toerana fanaovana ilay asaratsy. Hividianana sigara ny vola 20.000 Ar sandoka ary ny famerin’izany no tena ampirimina. Sendra nahatsikaritra anefa ny mpivarotra ary nampandre ny polisy teo amin’ny manodidina. Raikitra ny fisamborana ka azo izy sy ny namany. Mbola nahitàna ody gasy sy vato sarobidy maromaro ary vola sivy tapitrisa ariary teny amin’ireo olon-dratsy. Isan’ny heloka mafy indrindra ny fanamboarana sy fanaparitahana vola sandoka satria sazy an-terivozona mandram-pahafaty. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy roa lahy tompon’antoka.
D.R