
Nivarahontsana ny mponina teny amin’ny manodidina nisehoan’ny loza, tany Ambatolampy, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, rehefa nahita sy naheno ny zava-nitranga, tamin’ireo roa lahy nihotsahan’ny tany nitrandrahany volamena. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany dia ny andron’ny 13 Febroary taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny efatra ora sy sasany hariva no nahazo fampandrenesana an-telefaonina ny Zandary, avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanimbary, taorian’ny fihotsahan’ny tany, teny amin’ny tobim-bolamena, izay voalaza etsy ambony. Raha vantany vao nahare izany ny mpitandro ny filaminana dia nidina ifotony nanao ny fanamarihana ny zava-misy. Rehefa tonga izy ireo dia voamarina sy hita ny fatin’ilay lehilahy antsoina hoe: Ratoto, eo amin’ny 16 taona eo sy ilay namany iray naratra tapa-balahana, izay fantatra amin’ny anarana hoe: Jonah, tokony 30 taona eo ho eo. Taorian’izay nomena ny fianakaviany ny razana, raha nentina ao amin’ny tombim-pahasalamana, any Antanimbary kosa ny naratra, ary efa manaraka fitsaboana sahaza azy. Mitohy hatrany kosa ny fanadihadiana ataon’ny Zandary any an-toerana hatreto.
Ratantely