Efa ho mapiteny ny maona ny fisehoany asan-jiolahy aty amin’ny distrikan’i Maevatanàna ankehitriny, ny fanontaniana mipetraka eny am-bavan’ny tsirairay ny hoe:ny fahasahiranana sy ny fidangan’ny vidin-javatra eny an-tsena ve sa ankasomparana tsotro izao fotsiny no mety antony mahatonga ny tsy fandriampahalemana mirongatra aty an-toerana sa ny fandraisana andraikitra no mitavozavoza. Ny voalohan’ity herinandro ity tokoa mantsy no voamarina, raha fampitam-baovao voaray tamin’olona tsy tonono anarana, fa nisy andian-jiolahy maromaro tsy voafaritra isa no tonga nanafika tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambalajia, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ka tokantrano iray any toerana voalaza fa nidiran’ireo malaso ankitsirano. Volaky: Lehilahy iray no naratra voakapa famaky teo amin’ny vozony, ary tonga dia nalain’izy ireo teny amin’ilay Ramatoa vadiny kosa ny rojo volamena sy ny vola tao anaty vata mitotaly efatra tapitrisa ariary. Niezaka nitsoaka nalaky ny jiolahy rehefa vita ny natony. Taorian’izay no niantso vonjy ilay vadiny naratra, ka nitangirona nanampy tamin’ny famonjena ny fokonolona teo amin’ny manodidina ary niantso an-telefaonina ny Zandary. Nentina niakatra teto Maevatanàna an-tampon-tanàna tao amin’ny hôpitalibe Morafenokely kosa ilay lehilahy naratra. Nanohy fanarahan-dia hatrany ny Zandary sy ny vatan-dehilahy any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalajia.
Ratantely