Mandratra, mamono sy manampitra aina mihitsy amin’izao ny mpanendaka, raha vao miseho ho mafy loha sy manohitra azy ny lasibatra. Tsy mijanona ho fitaovana fanambanana intsony ireo fitaovam-piadiana entin’izy ireo manao ny asa ratsiny fa tsy menatra intsony izy ireo mampiasa izany. Toa izany ity lehilahy voasambotry ny pôlisy tetsy amin’ny tetezan-dRamala Antohomadinika. Tsy zoviana amin’ny maro tokoa angamba fa isan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana raha iny faritra iny sy ny manodidina. Toe-javatra izay efa fantatr’ireo mpitandro filaminana ka hanaovan’izy ireo hetsika foana na atoandro na alina. Ny talata lasa teo araka izany dia fantatra fa lehilahy iray, izay fantatra fa isan’ny mpanendaka raindahiny amin’iny faritra iny no voasambotra. « Rehefa natao ny fisavana dia nahitana antsy iray tany aminy, izay entiny manao ny asa ratsiny » hoy ny fampitam-baovao. Nentina natao famotorana avy hatrany ity farany tamin’io fotoana io ary efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana sy nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
m.L